Etats-Unis : Biby tsy fahita firy tazana tao amin’ny valan-javaboaharin’i Yellowstone
Mpisera dia sy mpaka sary iray no nitsidika ny valan-javaboaharin’i Yellowstone no nifanehatra tamin’ny « glouton ». Biby mpiseho sy tsy fahita firy io nifanena tamin’i MacNeil Lyons sy Carl Kemp io. Nihevitra izy ireo zanaka « ours » no hitany saingy rehefa nijery tsara dia nahita fa biby iray antsoina hoe « glouton » io hitan’izy ireo io.Tia filaminana ity biby ity ka tsy tia mipoipotra, hoy ny tompon’andraikitry ny valan-javaboahary. Nanamafy izy fa tao anatin’ny manodidina ny 7 fotsiny ny « glouton » nifanena tamin’izy ireo tao anaty velaran-tany 8 900 kilometatra toaradroa tao amin’ny valan-javaboahary teo anelanelan’ny taona 2006 sy ny taona 2009. Tamin’ny volana janoary 2021 teo kosa no nahitana azy farany talohan’ity fahitan’i MacNeil Lyons sy Carl Kemp azy ity rehefa tsy nisy nahita intsony nandritra ny 10 taona.
