Dépêches

Port-Bergé II : Voatazona amponja vonjimaika ny ben’ny tanana

21 Martsa, 10h00. Nahiditra amponja vonjimaika any Mahajanga ny ben’ny tananan’ny kaominina ambanivohitra Port-Bergé II rehefa nanan-draharaha tao amin’ny Bianco. Raharaha fitantanam-bola tsy dia mazavazava no anisany niampangana azy raha ny fampitam-baovao.

Manoloana dia nanao antso avo ireo ben’ny tanana rehetra tao amin’ny faritra Sofia mba hijerena manokana ny momba ny asan’izy ireo noho ny tsy ampy ny fampiofanana azy ireo izay tsy mampandeha ny fitantanana ny kaominina.

Mikasa ny hanao fivoriambe ao Antsohihy izy ireo rahampitso talata 22 martsa, hanao fanambarana lehibe izay hataon’izy ireo mba hanairana ireo tompon’andraiki-panjakana hijery akaiky ny mahakasika ny fangadrana ben’ny tanana izay marihina fa tsy vao sambany.

Laisser un commentaire