ActualitésTsidika

Avaradrano : Ho apetraka ny fitsarana ambaratonga voalohany

Mitohy hatrany ny ady amin’ny kolikoly sy ny fanatsarana ny fomba fiasa ao amin’ny Ministeran’ny fitsarana. Ho apetraka amin’ity taona ity ny fitsarana ambaratonga voalohany sy ny fonja aty Avaradrano.

« Ho apetraka amin’ity taona ity ny fitsarana ambaratonga voalohany sy ny Fonja etsy Avaradrano sy any Sainte Marie. Ho vitaina malaky koa ny any Ambilobe, Sambava, Belo Tsiribihina, Besalampy sy ny hafa efa novinavinaina » hoy ny Ministry ny fitsarana, Rakotozafy François. « Mila hatsaraina hatrany ny kalitaon’ny fomba fiasa. Manomboka amin’ny fandraisana ny olona manan-draharaha hatramin’ny valin’ny fitsarana. Ny kolikoly ihany koa no tena sakana tsy mampandroso teo amintsika » hoy i Rindra, mpahay lalàna.

Tsara raha mahatoky tanteraka ny fitsarana ny vahoaka. Mitaky fitondran-tena mendrika avy amin’ny rehetra anefa izany indrindra manoloana ny ady amin’ny kolikoly.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire