ActualitésTatitra

Etats-Unis : Nanameloka an’i Corée du Nord hanao andrana « missiles intercontinentaux » vaovao i Washington

Ny andrana nataon’i Corée du Nord ny 26 febroary sy ny 4 martsa teo dia fanandramana singan-drafitra vaovaon’ny « missiles balistiques intercontinentaux » hoy avy tao amin’ny lapam-panjakan’i Etats-unis. Fisondrotana lehibe ny fanatanterahana izany hoy izy ireo.Mety ho saronantsaronan’i Corée dy Nord « lancement spatial » kosa ny fanatanterahany andrana vaovao hoy izy ireo ary tsiahivina fa efa nilaza i Pyongyang taorian’ireo andrana nataony roa voalohany fa andrana fampivelarana « satellite » izany.Nivory Etats-unis ny zoma teo ary nandray fepetra hanakanana an’i Corée du Nord tsy hanao andrana tamin’ny alalan’ny fanakanana azy tsy hahazo ny vokatra sy teknolojia avy tany ivelany ahafahany mamolavola ireo « programmes d’armement » voarara ireo.

Laisser un commentaire