Ankadikely Ilafy : Nahazo fitaovana ireo mpanasa lamba
Nanolotra fitaovana ho an’ireo mpanasa lamba ao Ankadikely Ilafy ny vadin’ny ben’ny tanàna. Izany dia noentina nanamarihana ny 8 martsa izay fety natokana ho an’ny zon’ny vehivavy.
« Fitaovana entina manatanteraka ny asany an-davanandro no azon’ireto mpanasa lamba eto amin’ny Fokontany Ambohitrarahaba ireto. Hinoana fa tena hanampy betsaka azy ireo eo am-panatanterahana ny asany izany » hoy ny avy ao amin’ny Fokontany Ambohitrarahaba. « Miisa 30 ireo nisitraka ireto fanomezana ireto. Seau sy koveta no nomena azy. Ny fanajana ny asa no mahatsara sy mahamendrika azy. Tsy misy asa ratsy sy tsara izany » hoy i Rajaonah Faratiana, vadin’ny ben’ny tanàna ao Ankadikely Ilafy.
Niavaka tokoa ity fankalazana ny fetin’ny vehivavy ny 8 martsa ity teto amin’ny distrika Avaradrano. Ny fahaizana manaja ny asa no tena zava-dehibe.
Nicole Rafalimananjara
