ActualitésTsidika

Alasora : Hisy ny hetsika fizarana kopia faobe

Hisy ny hetsika faobe ho fizarana kopia ho an’ireo izay mbola tsy manana izany ao amin’ny kaominina Alasora. Hatramin’ny 20 martsa ny fisoratana anarana amin’izany eny amin’ny fokontany tsirairay.

« Zava-dehibe ny fanana kopia. Ny kopia no ahafahana misitraka ireo zo amin’ny maha olom-pirenena. Tsy manana zo arovana mihitsy ny olona iray raha tsy manana kopia » hoy i Fanja, mpahay lalàna. « Hisy ihany koa ny fizarana kara-panondro faobe ho an’ireo 18 no mihoatra. Aza taraiky ary fotoana izao anararaotana izany hetsika faobe izany » hoy ny avy ao amin’ny kaominina Alasora. Tena ilaina tokoa ny fananana kara-panondro. Tsy azo antsoina ho olom-pirenena ny olo na iray raha tsy misoratra ara-panjakana.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire