Etats-Unis : Mpanondrana zava-mahadomelina, nikasa nanarontsarona izany ho tongolo
Mpanondrana zava-mahadomelina ao Mexique no nikasa hanondrana « méthamphétamine » 600 kilao. Nomen’izy ireo endrikendrika tongolo izany ary nampiarahany tamin’ny tongolo saingy saron’ny fadin-tseranana tao Etats-Unis.Notaterin’izy ireo tao anaty fiara vaventy izany saingy voasakan’ny mpiambina sisintanin’i Californie izy ireo ary voafofon’ny alika « renifleur » ilay zava-mahadomelina. Mitentina 3 tapitrisa dollars ny vidin’io zava-mahadomelina tratra io hoy i Sidney Aki, avy ao amin’ny fadin-tseranana ao San Diego. Mbola tsy nahita tou izany izy hoy izy satria fanandaniam-potoana goavana ny namolavola ireo zava-mahadomelina ireo hiendrika tongolo.
