ActualitésTsidika

Anosy Avaratra : Fitsaboana manatona vahoaka

Hisy ny fitsaboana ny vahoaka eny Anosy Avaratra ny 9 martsa izao. Eny Isahafa ao amin’ny biraom-pokontany no hanatanterahana izany.

« Sarobidy ny fahasalamana. Fotoana izao hijerena ny fahasalamana. Raha tsy salama mantsy ny vahoaka dia tsy afaka ny handroso ny tanàna » hoy ny ben’ny tanàna ao Anosy Avaratra, Razafimahefa Luc. « Hisy ny fizahana sy fitsaboana marary. Eo ihany koa ny fanabeazana aizana sy ny fanaovam-baksiny maimaimpoana ho an’ny reny sy ny zaza ary ny vakisny fanefitry ny covid-19 » hoy ny avy ao amin’ny CSBII Anosy Avaratra. Marihina fa maimaimpoana avokoa ny hetsika mandritra io andro io. Tsara tokoa raha araraotina izany ho fitsinjovana ny fahasalamana.

Tsy ny marary ihany no mila dokotera fa ireo izay te ho salama hatrany ihany koa.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire