ActualitésTsidika

Tontolo iainana : Hamboly hazo ny kaominina Ambohimangakely

Handray anjara feno amin’ny hetsika ho fanamaitsoana ny firenena ny kaominina Ambohimangakely. Ny 8 martsa ho avy izao no hanatanterahan’izy ireo izany any Karmella Betafo, izay ao anatin’ny kaominina ihany.

« Sady hankalaza ny andro iraisam-pirenena ho an’ny vehivavy isika no hamboly hazo. Hanasana ireo fikambanana sy olon-tsotra ary ireo vehivavy rehetra eto amin’ny kaominina izany » hoy ny ben’ny tanàna, Radafindranaro Thierry. « Eny Betafo no hanatanterahantsika izany fambolen-kazo izany. Amin’ny 8 ora maraina ny fiaingana ny 8 martsa izao eto amin’ny kaominina. 1 000 ariary ny saran-dalana mandroso sy miverina. Efa any an-toerana ny zana-kazo » hoy ny avy ao amin’ny kaominina Ambohimangakely.

Fotoanan’ny fambolen-kazo tokoa izao. Tsara raha mametraka fahatsiarovana tsara ho an’ny taranaka any aoriana isika, dia ny fambolen-kazo izany.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire