Ambohimanambola : Nahazo faharoa tamin’ny fifaninana nokarakarain’ny Ministera ny lycée
Nahazo laharana faharoa tamin’ilay fifaninana « Concours de conception de ressources educatives libres » ny mpianatry ny lycée Ambohimanambola. Fotoana nahafahan’ny mpianatra naneho ny heviny amin’ny maha mpianatra azy ity natao ity.
« Miarahaba ny mpianatra aloha nitondra hatrany ny voninahitry ny kaominina Ambohimanambola. Isaorana ireo nanampy rehetra indrindra tamin’ny fanatontosana ny horonantsary » hoy ny tompon’andraikitry ny serasera ao amin’ny kaominina Ambohimanambola. « Manana fahalalana haneho hevitra ny tsirairay ao anaty haino vaky jery, na tambajotran-tsosialy. Tandremana anefa tsy haneho fomba manala Baraka na koa miditra amin’ny fiainan’ny olona manokana » hoy ny ampahany tamin’ity horonantsary ity. Fotoana nahafahana nanoro hevitra ny tokony atao manoloana ny toe-draharaha misy eto amin’ny firenena ity fifaninana ity, indrindra manoloana ireo olana miparitaka ao amin’ny tambajotran-tserasera facebook izay manomboka tena mahazo vahana eto amintsika.
Nicole Rafalimananjara
