Ankadikely Ilafy : Mila vahàna ireo olana misy eny amin’ny fiaraha-monina
Nanatanteraka fivoriana ho fanamafisana ny fomba fiasa eny ifotony ny kaominina Ankadikely Ilafy niaraka tamin’ireo « Quartier mobile ». Tonga nanohina ny antso avokoa ireo avy amin’ny fokontany 18 mandrafitra ny kaominina.
« Ny lafiny sosialy, serasera, famdriampahalemana ary teknika no niompanan’ny dinika teto. Izany no natao mba hisian’ny fifanakaikezana kokoa amin’ny fifanankalozam-baovao eny amin’ny faritra iadiadian’izy ireo sy ny tomponandraikitra eto amin’ny kaominina » hoy ny avy ao amin’ny kaominina Ankadikely Ilafy. « Mila miara-miasa ny mpitondra sy ny tompon’andraikitra eny ifotony izay tena mahita ny isam-baravarana. Betsaka ny olam-piarahamonina indrindra ny tsy fandriam-pahalemana mila harenina ety Ankadikely » hoy i Volana, mponina ao Ankadikely Ilafy. Ahafahana mitondra vahaolana ao anatin’ny fotoana fohy ny olana misy eny amin’ny fiaraha-monina misy azy ireo avy tokoa no tena anton’ny fivoriana. Ilaina ny fiaraha-miasa mba tena hirosoana any amin’ny tena fandrosoana marina.
Nicole Rafalimananjara
