SocialTsidika

Ihosy : Jiolahy roa no tratra

Jiolahy roa mpanafika trano no ratran’ny vela-pandrikia nataon’ny Polisim-pirenena tao Ihosy ,tany Anadabo, kaominina Ankily omaly alakamisy. Nanindrona antsy ny polisy kosa ny fahatelo ka voatery nitifitra azy ny mpitandro filaminana rehefa nandositra izy. Lavon’ny bala izy manoloana izany.

Entam-barotra, fitaovana andakozia, ary ireo fitaovana fanaovany ny asany samihafa kosa no tratra tao an-tranon’izy ireo. Fiaraha misa tamin’ny olona tsara sitrapo no nahazahoana ny vokatra.

Laisser un commentaire