Kolontsaina: Mila omena lanja ny tenindreny 
Ankalazaina isaky ny 21 Febroary ny andro maneran-tany ho an’ny tenindreny. Ny “Tenindreny sy Teknolojia” no lohahevitra ho amin’ity taona ity. “Ny tenindreny no ivon’ny fiainana na eo amin’ny lafiny Kolontsaina na fanabeazana na toekarena na sosialy na politika. Ny tenindreny no ibeazana ary anabeazana ny taranaka andimby. Ny tenindreny no ilo mby an-doha tsy azo tsinontsinoavina eto amin’ny firenena. Ny tenindreny no hampitana fahalalana sy ny Soatoavina maha Malagasy antsika” hoy ny avy ao amin’ny Ministeran’ny Serasera sy ny Kolontsaina. “Endrika isehoan’ny fivoaran’ny vanim-potoana ny Teknolojia. Tsy manakana ny fiainan’ny teny akory izany ary indrindra fitaovana amelomana ny teny ho eo am-bavan’ny tsirairay” hoy ny Minisitra Rakotodrazafy Andriatongarivo Lalatiana. Ilaina ny fanomezana toerana ny tenindreny indrindra ny fiteny isam-paritra. Ampahafantarina mandritra ny fankalazana izany ireo ohabolana isam-paritra maneho ny firaisankina. Iray ihany tokoa mantsy isika Malagasy, tokana ny tenindreny ho antsika dia ny teny Malagasy na dia efa miditra amin’ny fanatontoloana aza.
Nicle Rafalimananjara
