Manjakandriana : Jiolahy iray nitolo-batana
Jiolahy iray no nitolo-batana tao amin’ny zana-tobim-paritry ny Zandarimaria Ambohimanarivo Manjakandriana. Iray tamin’ireo jiolahy nanafika tao Ambatomitokana Ampaneva ny 9 febroary lasa teo izy.
« Jiolahy 7 no nanao fanafihana mitam-piadiana tao Ambatomitokana. Roa tamin’ireo no lavon’ny mpitandro filaminana. Telo no azo sambo-belona ary efa any Tsiafahy. Roa hafa no mbola karohina hatramin’izao » hoy ny Zandarimaria. « Ny havany no nandresy lahatra azy hiloto-batana, raha ny nambarany » hoy ny tompon’andraiki-panjakana ao Ampaneva. Mbola misy namany roa izany any ho any.
Ilaina indrindra ny fiaraha-miasa amin’ny vahoaka amin’ny famongorana ny olon-dratsy eto amin’ny firenena. Isan’ny sakana tsy mampandroso mantsy ny fisian’izy iteny.
Nicole Rafalimananjara
