ActualitésTsidika

Sakafo : Mitondra voka-tsoa maro ny fihinana « persil »

Betsaka ny tombontsoa entin’ny fihinanana persil. Tena manan-karena vitamina A sy C ary K izy, miampy folates sy potassium. Manala fanaintainana sy mampitombo ny hery fiarovana ihany koa ny persil. Tsy izay ihany fa miaro sy miady amin’ny aretina homamiadana izy. Tsara ho an’ny maso sy ho an’ny taolana ary ny fo.

Azon’ny olona olona voan’ny diabeta atao tsara ny mihinana azy. Manadio ny voa sy manampy amin’ny fandevonan-kanina ny persil. Tsara ho an’ny olona manao « infection urinaire ». Manampy betsaka ny olona tsy ampy ra na te hanala tavy izy. Manala fofona ratsy amin’ny vava ihany koa ny persil. Betsaka ny fomba fikarakarana azy : azo atao amin’ny lasary, na amin’ny lasopy na atao ranomboakanzo izy. 

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire