Ankadikely Ilafy : Mitohy ny hetsika fampandriana fahalemana
Nandray ny andraikiny amin’ny fampandriana fahalemana ihany koa ny tao amin’ny kaominina Ankadikely Ilafy. Nahitam-bokany izany : tony ny tanana nanomboka ny 15 febroary nirotsahan’ireo zandary an-tsehatra. « Ny teto amin’ny faritra Analamanga rehetra mihitsy no nahetsika ny mpitandro filaminana. Matetika loatra manko ny tranga tsy fandriam-pahalemana. Efa nahitam-bokany izany teto Avaradrano » hoy ny tompon’andraikitra eto an-toerana. « Tsy hitsahatra ny hetsika fampandriana fahalemana sy ny famongorana ireo asan-jiolahy amin’ny endriny rehetra » hoy ny ben’ny tanàna ao Ankadikely Ilafy, Rajaonah Rija. Tsy maintsy ahetsika avokoa ny hery velona rehetra, indrindra eto Antananarivo.
Nicole Rafalimananjara
