ActualitésTsidika

Ankadikely Ilafy : Mitety Fokontany mihitsy ny Tsena Mora

Tontosa teny amin’ny Fokontany Ambohipanja indray ny Tsena Mora tao amin’ny kaominina Ankadikely Ilafy. Nilamina tahaka ny teny amin’ny fokontany hafa ny fitsinjarana izany.

« Tontosa tsara tao anaty filaminana ny fitsinjarana ny entana amidy amin’ny Tsena Mora. Mbola mitohy hatrany izany ato amin’ny kaominina. Ny 15 febroary izao indray no hisitrahan’ny fokontany Mandrosoa ny Tsena Mora » hoy ny ben’ny tanàna ao Ankadikely Ilafy, Rajaonah Rija.

« Tena manala fahasahiranana manoloana ny fiakaran’ny vidim-piainana ihany aloha ny Tsena Mora. Raha ny faniriana dia misy ao amin’ny Fokontany iray isan-kerinandro izany. Isan’andro mantsy ny olona no tsy maintsy mihinan-kanina » hoy i Ravao, mponina ao Ambohipanja. Marihina fa 1 000 Ariary ny iray kilao amin’ny vary, izay ferana ho 5 kilao isan-tokantrano, ary 5 000 Ariary kosa ny litatra amin’ny menaka. Am-pilaminana hatrany no hizarana izany.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire