Dépêches

FORT DAUPHIN : Lehilahy iray tapa-tànana noho ny fanafihan-dahalo

10 Janoary, 10h00. Lehilahy iray no tapa-tànana sy naratra mafy notafihan’ny jiolahy ny fiatombohan’ity herinandro ity, tao Fort Dauphin. Norahonan’ireo nahavanon-doza hamoaka ny fananana rehetra tao an-trano ny tenany, saingy nandà ka noratrany sy notapahany ny tànan’ilay lehilahy. Tsy afa-nahohitra intsony ka norobain’ireo jiolahy. Nentina tany amin’ny hopilaty izy tao aorian’ny fanafihana ary efa nisokatra ny fanadihadiana. Efa fantatra ireo nahavanon-doza saingy milaza fa mahafantatra olona ambony izy ireo. Niantso ireo tompon’andraikitry ny raharaha kosa ny olona hampanjaka ny fahamarinana.

Laisser un commentaire