ActualitésTsidika

Tontolo iainana: Nanampy betsaka ny mponina any amin’ny morontsiraka tamin’ny fiatrehana ny rivo-doza ny fotodrafitr’asa napetraka

Betsaka ireo paik’ady napetraky ny Ministeran’ny tontolo iainana sy ny fandrosoana lovain-jafy hanalefahana ny fiatraikan’ny fiovan’ny toetr’andro amin’ny morontsiraka. Isan’ireny asa ireny ny fametrahana fotodrafitrasa hiarovana ny morontsiraka ao Manakara sy Toamasina. « Efa maro ireo asa notanterahan’ny Ministera hanalefahana ny fiantraikan’ny fiovan’ny toetr’andro amin’ny morontsiraka tamin’ny alalan’ny tetik’asa PAZC, eo anivon’ny BNCCREDD+. Tanjona amin’izany ny hahazoana miomana mialoha amin’izay mety ho voka-dratsy ateraky ny fiovan’ny toetr’andro. Ho entina hampihenana ny faharefoan’ny mponina amin’ny morontsiraka ihany koa » hoy ny avy ao amin’ny Ministeran’ny tontolo iainana sy ny fandrosoana lovain-jafy. “Tena manampy anay mponina aty amin’ny morontsiraka mihitsy manoloana ny fiovan’ny toetr’andro ireo fomba napetraky ny MEDD indrindra nanoloana ireny fahatongavan’ny rivo-doza ireny. Isan-taona dia mitaintaina foana izahay amin’ny fiakaran’ny ranomasina, tamin’ity kosa notohanan’ireo fotodrafitr’asa napetraka izany. Afaka napetraka teo amin’ireo fotodrafitr’asa ihany koa ny lakan’ireo mpanarato” hoy i Holy, mponina ao Manakara. Ankoatra izany dia maro koa ny asa sahanin’ny Ministera amin’ny alalan’ny tetik’asa PAZC ho fiatrehana ny fiovan’ny toetrandro. Anisan’izany ny fampiofanana ireo tsantsaha amin’ny morontsiraka momba ny teknika fambolena, ny fanatsarana ny fomba fiompiana tantely. Eo ihany koa ny fomba fiompiana trondro sy drakaka mba hifanaraka amin’ny fiovan’ny toetrandro ary ny fizahan-tany izay mikajy sy miaro ny tontolo iainana.

Laisser un commentaire