Océan Indien : Ahoana ny fanomezana anarana ny rivo-doza ?
Nanomboka ny taona 1960 sy ny taona 1961 no nomena anarana ny rivo-doza taty atsimo andrefan’ny ranomasimbe indianina, raha ny taona 2006 kosa izany vao nomena anarana tao amin’ny faritra avaratra.Manomboka omena anarana ny rivodoza aty atsimo andrefan’ny ranomasimbe indianina rehefa mahatratra ny ambaratonga maha « tempête tropicale modérée » azy, izay mitondra rivotra sy tafiotra 63 hatramin’ny 88 kilometatra isan’ora.Safidiana ao anaty lisitra manaraka ny alfabeta kosa ny anaran’ny rivodoza, miatomboka ny litera A ny anaran’ny rivodoza voalohany ao anatin’ny taona izay mitohy araka rivodoza mety hiseho. « Ana » izao ny rivodoza voalohany nandalo teto amin’ny firenena, niditra tamin’ny « Batsirai » isika ary efa nananontanona ny « Cliff », ary raha mbola misy ao aoriany dia « Dumako » no anarana hoentiny.Ny sampana mpamantatra ny toetr’andro samihafa tao amin’ny faritra atsimo andrefan’ny ranomasimbe indianina kosa no nifandimby manome ny anaran’ny rivodoza. Noraisin’ny « Comité des Cyclones Tropicaux du Sud-Ouest de l’Océan Indien » an-tanana izany ny taona 2000 hatramin’ny 2001.Marihina fa efa voafidin’ireo firenena voakasika aty atsimo andrefan’ny ranomasimbe indianina ny volana septambra 2021 ny anaran’ireo rivodoza amin’ity taona ity. « Dumako », « Emnati », « Fezile », « Gombe », Halima » no anaran’ireo dimy manaraka
