Fonjan’Ikongo : Ravan’ny rivodoza Batsirai
07 Febroary, 09h00. Ravan’ny rivodoza Batsirai ny fonjan’Ikongo omaly. Voafonja miisa 155 no voatery nafindra amin’ny tranon-tsekoly. Nafindra ao amin’ny CEG ny voafonja lehilahy ary any amin’ny EPP ny vehivavy. 228 ny fitambaran’ny voafonja tao saingy misy ny miasa any ivelany, ka nahatonga ny isan’ny nafindra toerana ho 155. Rava ihany koa ny trano fonenan’ny mpandraharahan’ny fonja nandritra izany.
