SocialTsidika

Boriborintany faha 4: Mpianatra nananton-tena

Zazalahy 13 taona, kilasy faha 6 no maty nananton-tena omaly 3 febroary. Ny nofo mangatsiakan’ity zazalahy ity sisa no tratran’ny fianakaviany tao an-tranony tao amin’ny boriborin-tany faha6. « Tsy nahazo moyenne ity zazalahy ity ka nahazo fampitandremana tamin’ny sekoly. Mbola nobedesin’ny ray aman-dreniny ihany koa izy taorian’izay » hoy ny manodidina azy. « Ny fanadihadihana ataon’ny fitsarana ihany no afaka manamarina ny tena zava-nisy marina » hoy i Fanja, mpahay lalana. Nikasa hametraka fitoriana Ilay sekoly katolika nianarany kosa ny fianakaviana. Miandry ny valin’ny fanadihadihana ny rehetra hahalalana ny tena nisy marina.

Laisser un commentaire