SocialTsidika

Antsohihy : Zaza roa volana nisy nanary

Mbola tsy foana ny fanarian-jaza. Ny fitrangany no mahasamihafa azy. Zazakely 2 volana indray no hitan’ny olona nisy nanary teo afovoan’ny arabe ny alarobia teo nanodidina ny 12 ora atoandro teo tao amin’ny fokontany Ambalabe andrefana, ao Antsohihy.

« Misy tsy mataho-tody ny olona » hoy ny vehivavy nikarakara taratasy tao amin’ny fokontany nandray an-tanana ny zaza nandra-piandry ny renin’ny zaza. Nanazava kosa ireo manam-pahefana fa ny renikelin’ny zaza no nanary azy. « Fantatra nandritra ny fanadihadiana fa ny vadikelin’ilay lehilahy rain’ny zaza no nanary azy. Nangata-bola tamin’io lehilahy io ity ramatoa ity ka tezitra rehefa tsy nahazo ka nariany ny zaza » hoy izy ireo. Efa eo am-pelantanan’ny tena reny niteraka ny zaza kosa io zazakely 2 volana io ankehitriny ary nalainy ny hariva’ny alarobia teo ihany.

Hasina Rasamimanana

Laisser un commentaire