Ambohimanambola : Hovalian-tsoa ny olona malala-tanana
Feno fankasitrahana ireo rehetra nanampy nandritra ny fikarakarana ireo tra-boina ny kaominina Ambohimanambola. Maivana tokoa ny fikarakarana rehefa miara-misalahy ny rehetra.
« Ny kaominina Ambohimanambola dia misaotra, mankasitraka ary mankatelina anareo rehetra malala-tanana tonga nanampy tamin’ny fikarakarana ireo tra-boina » hoy ny ben’ny tanàna ao Ambohimanambola, Rahagarison Soanantenaina Manantsialonina. « Maivana kokoa ny voina noho ny fanampianareo. Tsy afa-nanohitra ny andro ratsy izahay. Tra-boina tsy fidiny kanefa tsy navelanareo ho irery » hoy i Sitraka, isan’ireo tra-boina ao Ambohimanambola.
« Tsy ny loza no nahafinaritra fa ny fiaraha-mientana. Inoako hatrany fa mbola hitombo ny firaisan-kinantsika amin’izao rivo-doza ho avy izao » hoy i Clark, mpianatra fiarahamonina eny amin’ny Oniversiten’Antananarivo.
Trano atsimo sy avaratra tokoa ka izay tsy mahalen-kialofana. Soatoavina maha Malagasy izany ary efa nataon’ireo Ntaolo fahiny. Fihetsika tsara sy feno fahendrena ny fifanampiana. Tsara raha tohizana foana hatrany.
Nicole Rafalimananjara
