ActualitésTsidika

Alasora : Nisy ny tatitra nanambarana ireo fanampiana rehetra voaray

Nanao tatitra ampahibemaso mikasika ireo fanampiana azo ho an’ny tra-boina ny kaominina Alasora. Izany no natao mba hisian’ny mangarahara sy ny fifampitokisana hatrany eo amin’ny mpitantana sy ny vahoaka.

« Mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray. Efa nomenay ny tatitra mikasika ireo fanampiana rehetra voaray sy nozaraina ireo tra-boina sy ny sahirana. Raha tsy hiteny hafa-tsy ny vary fotsiny ohatra, izay nahatratra 4 033 kg ny fitambarany. Nahazo siramamy 65, 5 kilao ihany koa ary ny maro hafa » hoy ny avy ao amin’ny Kaominina Alasora. « Betsaka ny te hanome fa matahotra sao tsy ho tonga any akory ny fanomezana. Fihetsika tena mety sy mahatoky tokoa izao fanaovana tatitra izao. Hinoana sy hantenaina fa hazoto hatrany ny mpiray tanindrazana hanohana ny mpiray tanindrazana » hoy i Lary, mponina ao Alasora.

« Ny voin-kava tokoa mahatratra. Ny fanampiana vitantsika nitambatambatra no nanome ireo fanampiana marobe ireo. Mila mifanohana sy mampanjaka ny firaisan-kina hatrany isika raha te handroso » hoy i Fenohasina, mpianatra serasera eny amin’ny Oniversiten’Antananarivo. Tsy ho tapitra hatreo akory ny fifanohanana tokony ho atao. Mbola betsaka ireo mila fanampiana avy amintsika mpiray tanindrazana. Ny fanjakana manao araka izay vitany eny ihany. Isika vahoaka eny ifotony no tena mahita ny fijalian’ny mpiray tanindrazana amintsika. 

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire