Dépêches

Toamasina : Efa mivonona amin’ny rivodoza BATSIRAI ny tompon’andraiktra

01 Febroary, 10h00. Efa nametrapaka paikady entina hiomanana amin’ny andro ratsy mety mbola ho avy ny CRGRC sy ny CRCO Atsinanana tarihin’ny Goverinora RAFIDISON Richard sy ny Préfet RAZAFIARISON Jean Jugus. Efa nanomana ny toerana voatokana na « centre d’hébergement » ao amin’ny CJST na CRJS teo aloha izy ireo izay toerana efa nandraisana ireo traboinan’ny rivodoza ANA. Tonga nanome tànana azy ireo ihany koa ny Tale Jeneralin’ny BNGRC ANDRIAKAJA Elack Olivier.

Laisser un commentaire