ActualitésTatitra

Argentine : Natao lavanty ny sasany amin’ireo fitaovan’i Diego Maradona

Natao lavanty ny alahady teo ny fitaovan’ity lehilahy manan-tantara eo amin’ny tontolon’ny baolina kitra ity Diego Maradona. Fitaovana maro no namidy tamin’izany : fehi-tenda tamin’ireo, sakotra, fiara BMW, trano izay natomboka tamin’ny tetibidy 50 dollars hatramin’ny 900 000 dollars.Tsy nahasarika olona maro nefa io lavanty io. Vitsy tamin’ireo fitaovana 90 no lafo tamin’izany ary 26 000 dollars no monja no vola azo tamin’izany raha mbola nitentina 1,42 tapitrisa dollars ireo fitaovana hafa.

Laisser un commentaire