Zotra an-dalamby: Hitovy saran-dàlana amin’ny Taxi Be
17 Decembre, 09h54. Atao mitovy amin’ny saran-dàlan’ny taxibe ny saran-dàlan’ny fiaran-dalamby hoy ny sekreteram-panjakana misahana ny tanàna vaovao sy ny toeram-ponenana mba hahafahan’ny rehetra misitraka izany. Tsy tokony hiteraka fatiantoka ho an’ireo tompon’ny taxibe ity tetik’asa ity satria fitanterana mifameno ireo.
