Nodimandry i RAZATOVO Placide
09 Desambra, 09h55. Nodimandry teo amin’ny faha 83 taonany ny 06 desambra lasa teo RAZATOVO Placide, sojaben’ny mpanao ao Vakinakaratra. Niasa tao amin’ny Radio feon’ny filazan-tsara Antsirabe no tena nahafantaran’ny maro azy. Mpanao gazety an-tsoratra sy amin’ny haino aman-jery tsy miankina ihany koa izay ary mpiandraikitra fandaharana mikasika ny fitoriana ny filazan-tsara. Isan’ny mpitolona mafana fo ho an’ny tanindrazana ihany koa izy ary efa maro ireo tolona natrehany.
