ActualitésTatitra

Etats-Unis : Fifampitifirana nahafaty olona 3 tao amina lycée iray

Nisy fifampitifirana nahafaty olona 3 ary nandratra olona 6 tao amin’ny lisea Oxford High, ao Michigan ny 30 novambra teo tokony tamin’iray ora atoandro teo. Nisy mpampianatra iray tamin’ireo naratra ireo raha ny fanazavana.Vetivety ihany dia tonga teny an-toerana ireo mpitandro ny filaminana ka nisambotra ny nahavanona ireo loza ireo. Fantatra tamin’izany fa mpianatra 15 taona no nitifitifitra tao amin’ny sekoly ary niasa irery izy, raha ny valin’ny fanadihadiana.

Laisser un commentaire