Formule 1 : Fiadiana ho tompon-daka voalohany
Tamin’ny taona 1950 no nisy fiadiana ho tompon-dakan’ny formule 1 voalohany tao Angleterre izay nokarakarain’ny FIA (Fédération internationale de l’automobile). Ny « Alfa Romeo » no nitarika tamin’izany ary i Giuseppe Farina, avy any Italie, no nitaba ny amboaran’i formule 1 voalohany.Làlana (circuit) fito kosa no nampiasana tamin’io fifaninana voalohany io, ary mbola miasa amin’ny fifaninana amin’izao fotoana izany. Anisan’izany i Silverstone, Monaco, Spa-Francorchamps ary i Monza.
