SocialTsidika

Ambohitrarahaba : Nahitana fatin’olona

Fatin’olona iray no hita teny Ambohitrarahaba. Betsaka ny tsaho nivoaka mikasika ny antony nahafaty azy. Tratra alina izy ary ary nodomin’ny fiara, saingy tsy mbola maty fa mbola nisy namono sy nanendaka indray avy eo, ka izay no nitarika ny fahafatesany.

« Tsy sahy nikitika ny olona nahita azy fa kosa niandry ny mpitandro filaminana sy ny mpitsabo fa tao kosa ny niteny hoe mamo ity rangahy ity ka tratran’ny orana teo ary maty, kanefa ny vatany aza maratra no hitanay », hoy i Maurice, mponina any Ambohitrarahaba. « Mila mitandrina isika rehetra indrindra ireo mpody alina, raha azo atao dia sorohy ny mody alina fa ny aina tsy ananam-piry, ny mpanendeha rahateo tsy mifidy asiana izany » hoy i Mampionona, mpitsabo.

« Lehilahy monina eny Anosy Avaratra, ary nandalo teto Ambohitrarahaba, izay efa malaza ratsy amin’ny fanendahana amin’ny alina. Mampalahelo tokoa ny nahazo azy » hoy i Nathalie, mponina any Ambohitrarahaba. Tsy namana tokoa ny alina aka aleo miezaka tsy mody alina loatra isika hisorahana ny tsy fandriam-pahalemana sy faty olona tahaka izao. Mety hoe tsy nisy safidy ilay fodiana alina, saingy mila mitandrina mandrakariva isika. Rahoviana vao ho foana ny fanendahana amin’ny alina izay hahafatesan’olona toy izao ?

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire