ActualitésTsidika

Avaradrano : Nivondrona ho iray ny Ben’ny tanàna rehetra aty an-toerana

Tafatsangana ny 10 novambra lasa teo ny « Firahalahian’ny ben’ny tanànan’Avaradrano » na ny FIBA izao natao tany amin’ny Kaominina Ambohimanga Rova. Voafidy ho filoha hitarika izany ny Ben’ny tanàna ao Ambohimangakely, Radafindranaro Thierry. »Ilaina amin’ny fampandrosoana indrindra eto amin’ny Distrika Avaradrano ny toy izao ary zava-dehibe ao anatin’ny fandrosoana tokoa ny firaisan-kina sy ny fiombonana, manimba tokoa mantsy ny fisaraham-bazana » hoy i Herilanto, mponina ao Avaradrano. « Ny tanjona dia ny hametraka an’ireo Kaominina eto amin’ny distrikan’Avaradrano ho fitaratra, ka tsy sakana ny tsy fitoviana ny loko politika samihafa fa hifantoka amin’ny fandrafetana ny tetik’asa fampandrosoana » hoy ny filoha voafidy, Radafindranaro Thierry. « Miara-mientana ho any amin’ny fahombiazana isika rehetra, raha mivondrona ho iray tokoa isika rehetra dia tsy misy atahorana satria ny mitabe tsy lanin’ny mamba hoy ny fitenenana » hoy kosa ny filoha lefitra faharoa ao amin’ny fikambanana, Rajaonah Rija izay sady ben’ny tanàna ao Ankadikely Ilafy.Raha mahay miara-miasa tokoa ireo ben’ny tanàna ato anatin’ny Distrika Avaradrano dia hiditra tsy ho ela ny fandrosoana, ary handry fahalemana ny vahoaka. Zava-dehibe tokoa ny tahaka izao ary irariana tsy hijanona eto amin’ny Distrika Avaradrano ihany ny toy izao fa hiparitaka manerana ny Distrika rehetra eto Madagasikara.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire