ActualitésTsidika

Olona roa no lasibatry ny fanolanana nandritra ny fanafihana tao Alasora

Nisehoana fanafihana mitam-piadiana indray teny Mandikanamana Alasora ny alin’ny Sabotsy 11 septambra izao izay nataona 8 lahy. Mifefy tsara sy mirehitra jiro mandramaraina anefa ny tanàna fa tena hain’ireo olon-dratsy ny namaky azy.

« Nahita hazavana avy any ivelany izahay ka tampoka teo dia olona marobe no nihazakazaka namaky ny varavarana » hoy ny fanazavan’ny tompon-trano. « Nidaroka avy hatrany ireo olon-dratsy vao tafiditra ka ny sasany nibata entana nivoaka ny hafa nanararaotra nanapatra ny filan-dratsiny tamin’ilay vehivavy tompon-trano sy ilay mpanampy vavy » hoy ny fitantaran’ireto niharan’ny herisetra.

« Tsy tratra tao intsony ny jiolahy saingy nampiasaina ny alika mpitsongo dia izay nioroka ilay arovavan’ny olon-dratsy latsaka ka noraisim-potsiny izy ireo satria sady tadidin’ilay vehivavy tompon-trano no tsy lavitra ny tanàna ihany koa » hoy ny mpitandro filaminana. Andrasana ny fisamborana ny namany hafa ary efa am-pelantanan’ny mpitandro filaminana ny raharaha ka tsy ho afa-maina ny olon-dratsy.

Nitondra ny mangidy ireo vehivavy satria sady potipotika ny vatany no niharan’ny herisetra ny sainy. Inona no tena mampirongatra ny vaky trano tato ho ato ?

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire