Efa betsaka ny sambo mampitohy an’i Mahajanga sy Maintirano amin’izao
Efa maro ankehitriny ny sambo mifamezivezy ao amin’ny sehatra fitaterana mampitohy an’i Maintirano sy Mahajanga raha toa ka indray mandeha isam-bolana na isaky ny telo olana no nisian’ny sambo mpitatitra teo aloha. Ahitana sambo manara-penitra ny zotra mampitohy an’i Mahajanga, Maintirano, Besalampy ary Soalala ao aantin’ny 24 ora ao anatin’ny herinandro. 24 ora no faharetan’ny zotra Mahajanga-Maintirano, amin’ny sarany 150 000 Ariary.
Mahajanga-Besalampy kosa 120 000 Ariary ary Mahajanga-Soalala : 80 000 Ariary. Mahazaka olona 120 mahery ity sambo manara-penitra ity. 25 kg isan’olona no fetran’ny entana azo entina. Misy ny sakafo amidy ao anaty sambo amin’ny sarany 3 000Ariary. Azo atao ny mamandrika toerana amin’ny alalan’ny tambazotra sosialy sy antso an-tariby.
Nicole Rafalimananjara
