Manadino ny fanaovana arovava ny olona sasany
Manomboka manadino ny fanaovana arovava orona tanteraka ny mponina eto Madagasikara amin’izao na ny eny amin’ny fiarahamonina eny izany na eny amin’ny toerana vory vahoaka toy ny any an-tsena.
Tokony ho malina mandrakariva anefa isika satria mbola misy ny valan’aretina eto amintsika na dia efa mihena aza ny marary. « Ny polisy ihany koa aza efa tsy dia misava sy tsy manasazy intsony raha mahita olona tsy manao arovava, ny andro rahateo efa manomboka mafana ka vao maika manelingelina ny manao azy fa sady mahasempotra » hoy i Vero, renim-pianakaviana hita teny an-dalana tsy nanao arovava. « Ny any Senegal izao amin’izao feno ny hopitaly noho ity varint Delta mandripaka ain’olona be ity, aleo mitandrina mandrakariva na manao vaksiny fa ny firenena mpanankarena vitany ihany ny azy na misy variant na tsia, izy ary mbola manampy ny firenena hafa fa isika no tena ho sahirana raha hiverija amin’ny fihibohana tanteraka eo indray » hoy i Dokotera Jean Louis. « Hamafisina ny tokony hanaovana vaksiny indrindra ireo nahavita ny tsindrona voalohany tamin’ny AstraZeneca mba hierina hitsondrona faharoa, rehefa tsy hiaro tena amin’ny arovava ihany dia arovy amin’ny vaksiny ny tenantsika » hoy ny avy ao amin’ny Ministeran’ny fahasalamam-bahoaka.
Marina fa mafana ny andro ary vao maika manampy ny hafanana ny fanaovana arovava saingy ny aretina tsy mahalala toetr’andro ka tokony hahay hitandrina hatrany isika.
Nicole Rafalimananjara
