ActualitésTsidika

Ambatolampy : Averina ny lazan’ny « Fetin’ny Mimosa »

Niverina teo amin’ny sehatra ara-kolontsaina ny fetin’ny mimosa ao Ambatolampy rehefa nangigina elaela.

Fetin’ny mimosa, anisan’ny nanana ny lazany tany amin’ny faritra vakinankaratra. Voatery naato anefa ny fanatanterahana an’izy io nandritran’ny fotoana lavalava noho ny fandalovan’ny valanaretina teto Madagasikara.

 « Mivelatra amin’ny sehatra maro ny fetin’ny mimosa, sady fety ara-toekarena izy io no fety ara-kolontsaina sy zava-kanto. Anisan’ny mampiavaka azy ny fanehoana amin’ny alalan’ny tranoheva ireo vokatra mampiavaka ny distrika rehetra ao anatin’ny Faritra ary ihany koa ny fisian’ny fifaninana ara-panatanjahantena sy rindran-kira an-tsehatra andraisan’ny mpanakanto avy amin’ny faritra sy efa kalaza maromaro. Amin’ny vanim-potoana tahaka izao moa no manome endrika ny natiora ny Môsa ka mamelana ho « Mimosa », izay anton’ny anarana hoe fetin’ny mimosa, hoy ny tompon’andraikitra nanazava ny anton’ny fety.

Nilaza ny maha zava-dehibe ny hetsika ara-toekarena toy izao ny talen’ny orinasa mpikarakara hetsika iray ka nilaza fa : « Mampandroso ny tanana iray mihitsy ny fisian’ny hetsika tahak’izao, mampahafantatra ny tantara sy fahaiza-manao ary indrindra ny vokatra mampiavaka ny mponina. Fihaonana iray, afahana mivelatra amin’ny atrik’asa maro satria betsaka ny fifaanrahan-kasa mitsangana amin’izy itony’

« Nalaza be izy tamin’ity indray mitoraka ity. Hita fa tena afa-po avokoa na ny mpandray anjara na ny mpanatrika. Izahay manokana izao, afa-po tanteraka » hoy ny mpandray anjara naneho ny hafaliam-pony. Naneho ny heviny manoloana izao ihany koa ny governora ny faritra Vakinakaratra Vyvato Rakotovao : « Zava-dehibe ny hetsika tahaka izao satria manome laza ny Faritra no sady afaka hanehoana ihany koa ny tanjaka ara-toekarena ». Marihana fa mpikambana ao amin’ny Governemanta maro ihany koa no tonga nanotrona ny hetsika, isan’izany ny Ministra Lalatiana Rakotondrazafy, izay « coach » miandraikitra ny faritra Vakinankaratra.

Ao anatin’izao fiverenenan’ny fiainana amin’ny andavan’andro izao, azo lazaina ho efa miverina amin’ny laoniny avokoa ny hetsika sy festival maro karazany eraky Madagasikara. Manomboka velom-panantenana ireo mpanao asa Tanana sy mpisehatra eo amin’ny famokarana any amin’ny tontolo ambanivohitra. Afaka hamerina hampiroborobo ny seha-piharian’izy ireo indray ireo tantsaha. Tsara raha asiana fety na hetsika ara-toekarena sy ara-kolontsaina tahak’izao isakin’ny faritra satria anisan’ny antoka iray mampandroso ny faritra izy io.

Tsangy Randriamampianina

Laisser un commentaire