RN7 – Ilempona : Fiara nilatsaka tao amabany tetezana
Fiara iray no nilatsaka tany ambany tetezana tao avaratr’Ilempona Antanifotsy teo amin’ny lalam-pirenena fahafito ny alatsinainy 23 Aogositra 2021 tamin’ny roa ora sasany ariva. Nandona mpitaingina bisikileta iray ity fiara ity ka izao nilatsaka ambany tetezana izao. Olona 06 no naratra vokatr’izany fifandonana izany. Tanora dimy avy nanatrika fivoriam-pianakaviana tany Imady no tao anatin’ilay fiara Mercedes Sprinter.
Tamin’iny lalana hody aty Antananarivo no nifanena tamin’ny bisikileta nitondra olona 03 teo amin’ny tetezana. Taitra tamin’izany ilay mpamily ka tsy nahafehy intsony ny familiany izy. Vokany, nilatsaka tany ambany tetezana ity fiara. Ireo olona nanatri-maso izany loza izany moa dia nanampy ireo olona niaran-doza hivoaka ny fiara satria nihitsoka ny varavaran’ny fiara. « Soa fa tsy be entana tamin’ilay fiara, sarotra ny famoahana ireto olona ireto raha tsy izany » hoy ny nambaran’ny mpitondra fiara iray nanatrika ny loza. Nentina avy hatrany teny amin’ny hopitaly Antanifotsy ireo olona enina naratra.
Vantany vao nahare ny loza niseho ny mpitandro filaminana dia nidina avy hatrany teny an-toerana ka nanao ny fanadihadihana hahafantarana ny niavin’ny loza. « Tokony handraisana fepetra ihany koa ireo ankizy manampina ireo lavadavaka ary mangataka vola amin’ireo fiara mandala amin’iny tetezana iny. Mampiteraka loza ny fisian’izy ireo eny amin’ny tetezana » hoy hatrany i Patrick, mpamily fiara iray. Olona roa tamin’ireo enina naratra no voatery nafindra tao amin’ny hopitaly ao Antsirabe noho ny ratra mafy nahazo azy ireo teo amin’ny loha. Araka ny angom-baovao azo, simba avokoa na ilay fiara na ilay bisikileta. Efa niantsoana « dépanneur » hampakatra azy moa ilay fiara nilatsaka tao ambany tetezana.
Sitraka Rajaonarivony
