Ankadikely Ilafy : Nentina nitsidika ny rovan’i Madagasikara ireo mpianatra afaka CEPE
Nirotsaka an-tsehatra, nitondra ireo ankizy afaka ny fanadinana CEPE tao amin’ny EPP Ambohibe, Masinandriana ary Antanetibe, kaominina Ankadikely Ilafy, ireo tomponandraikitra ao an-toerana, niaraka tamin’ireo mpanabe. Hafaliana ho an’ireo ankizy ny fahitana ny zava-baovao sy nahafatantra ny tantara, raha ny voalaza.
“Ny fiaraha-mientan’ireo sekoly sy ireo sefo fokontany amin’ireo faritra telo mpifanolobodirindrana ireo no nahafahana nanatontosa izao fivoahana izao. Sady nitombo fahalalanan’ny ankizy no nitsangatsangana niala voly ihany koa. Isaorana noho izany ny rehetra » hoy ireo tomponandraikitra avy amin’ny kaominina.
« Hetsika tsy tokony hatao ambanin-javatra mihitsy ny fitondrana ny ankizy, mitsidika ireo toerana manan-tantara tahaka izao. Amin’ny alalan’ny fivoahana sy ny fitsidihana tahaka izao no ahafahan’izy ireo mandrato fahalalana sy mamantatra ny tantarany sy ny fireneny mba tsy ho sodokan’ny kolontsaina hafa » hoy i Louisette, mpampianatra.
Ankoatra ny rova, mbola maro ireo vakoka mahamalagasy mila ampahafantarina ny zaza Malagasy. Ny fahalalana ny tantara no fototra iray mampatonga ny fandrosoana. Rehefa mahafantatra ny tantara tokoa izy ireo dia ho sarotiny amin’ny fireneny sy ireo soatoavina raiketiny. Tokony ho tafiditra anatin’ny fandaharam-pianarana ihany koa izany.
Manitra R.
