Ambohimanga rova : Lehilahy iray mpangalatra moto tratran’ny zandary
Lehilahy iray no saron’ny zandary rehefa nangalatra moto indroa mian-taona tao amin’ny kaominina Ambohimanga Rova. Ny alin’ny 20 jona no nanaovan’izy ireo ny halatra voalohany ary ny ampitson ‘izay no nangalarany ny iray, araka ny voalaza.
« Moto an’ny namany ihany no nangalarin’ity lehilahy ity, rehefa avy niara-nikorana tamin’ireo namany izy ny alin’ny 20 jona. Ny ampitson’izany ihany koa dia nalainy ny an’ny namany hafa rehefa nindraminy hividianana lasantsy ka tany dia tsy niverina » hoy ny avy ao amin’ny brigadin’ny zandarimaria Ambohimanga Rova.
« Noho ny ezaka nataon’ny zandary dia voasambotra ny 11 jolay ity mpangalatra ity. Voasambotra niaraka taminy ihany koa ilay lehilahy iray mpandray ny moto halatra ary mbola tao aminy avokoa ireo moto nangalirina na dia efa novaina loko sy nakan’izy ireo pieces aza” hoy hatrany ny fanazavana.
Marihina moa fa efa tafaverina amin’ny tompony avokoa ireo moto very ireo. Etsy ankilany, manentana ny avy amin’ny mpitandro filaminana mba samy ho mailo hatrany ny rehetra satria efa tsy ampoizina intsony amin’izao fotoana ireo mpanao ratsy. Ary ho an’ny tsirairay kosa mba sahy hitoroka amin’ny zandary raha misy ny tranga hafahafa eny amin’ny fiaraha-monina.
Manitra R.
