Ambohimanambola: Hisokatra amin’ny fokontany Tanjonandriana ny Service Raoka fako
Misokatra tsikelikely amin’ny fokontany hafa ao amin’ny kaominina Ambohimanambola ny Service Raoka fako. Taorian’ny fisokafany tao amin’ny fokontany Gara, dia hisokatra amin’ny fokontany Tanjonandriana indray izany amin’ny volana ho avy io, raha ny voalaza.
« Nanomboka ny volana febroary 2023 teo no nanomboka ny asa hiandraiketany ny service raoka fako. Ity servisy ity izay miandraikitra ny fitantanana ny fako ventiny tao amin’ny fokontany. Manomana ny fisokafany amin’iny fokontany rahavavy izy amin’izao fotoana » hoy ireo tomponandraikitry ny servisy.
« Ilaina mihitsy ny fanapariahana ity service ity satria miparitaka manimba tanàna loatra ireo fako ka ilaina tomponandraikitra misahana izany manokana. Efa hita ny filaminana nentiny tamin’ny fokontany hafa fa tokony hisitraka izany avokoa ny rehetra » hoy i Christine, mponina ao Tanjonandriana.
Ao anatin’ny ezaka ataon’ny service Raoka fako ny fanaparihana ny asan’izy ireo manerana ireo fokontany ao an-toerana. Anisan’ny mampilamina, manadio ary mampandroso ny fokontany ny fametrahana ity rafitra ity.
Manitra R.
