Dépêches

Taranja Kick-boxing : Laharana faharoa I Madagasikara nandritra ny « Les Ceintures des Champions »

Dépêche 05 juin, 11h, Tsara indray ny toerana misy an’ny Madagasikara izay nandray anjara tamin’ny lalao iraisam-pirenena « Les Ceintures des Champions ». Laharana faharoa isika raha nahazo medaly volamena niisa dimy tamin’ireo lalao 12 izay nifanandrinana. Niisa 9 ireo mpikatroka nandray anjara tamin’izany izay tsy nitsanga-menatra izao fa nahazoana valin-dalao tsara. Firenena efatra no nandray anjara tamin’izany izay nahitana an’i Maurice (mpampiantrano), Afrique du Sud, Turquie ary Madagasikara.

Laisser un commentaire