ConseilTsidika

Torohevitra : Fikojana ny fahasalamana aorian’ny fety

Vita ireny izay ny fety ary hanomboka hiverina amin’ny fiainana andavan’andro amin’izay ny rehetra, manomboka izao. Mety mbola misy ihany anefa ireo ambikambina menaka na poizina ratsy tavela any anatin’ny vatana any vokatr’ireo sakafo na akora nampiasaina nandritra ny fety ka tsara alamina sy hesorina mba hampirindra ny fahasalamana.

Anisan’ny zava-dehibe voalohany indrindra, mila atao ampy rano ny vatana. Azo atao ihany koa ny misotro tambavy na dite maitso, thym, romarin mba ahafahan’ny vatana manala ireo poizina ratsy sy menaka miandrona any anaty any sy manome hery vaovao indray.

Ankoatra izay, tsara ny mihinana legioma sy hena fotsy tsy matava mba hampitombo sy hampisy hery hatrany ; izany hoe fadiana aloha ny sakafo be menaka sy matsiro na mamy loatra mba hikoloana ny aty. Ary farany tsy tokony atao ambanin-javatra ny fihinana voankazo toa ny papay, ny mananasy izay vokatra amin’izao fotoana, mba hamelombelona ny taova ary hampirindra ny fandevonan-kanina, tsy azo adinoina ny voasarimakirana ao anatin’izany.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire