ActualitésTsidika

Masindray : « Raikitra ny kopaka », hanomboka amin’ny alahady

« Raikitra ny kopaka » ao amin’ny kaominina Masindray. Hanomboka amin’ny alahady 04 desambra ho avy izao ny fifaninana amin’ny adin’akoho lahy izay karakarain’ireo mpankafy ny taranja ity ao an-toerana. Hisy araka izany ny fifaninana izay hananasana ireo mpankafy izany amin’ny fandraisana anjara, araka ny voalazan’ireo mpikarakarakara.

« Taranja maro mankafy ary mampiala voly ireo raim-pianakavy na zatovo tia akoho lahy ity taranja iray ity. Tao anatin’ny taona maro nisesy izao, hita tokoa ny fivelarany ary maro ireo mpisehatra amin’izany no manome lanja azy hatramin’ny farany » hoy i Rahery, mpankafy ity fialam-boly ity.

« Toa ny fanatanjahan-tena mampiala voly ihany izy ity, fa eto ny akoho no karakaraina tsara sy omena vahana ary omena fanohanana manokana. Misy sokajy manokana mihitsy no entina amin’ny fifaninana. Amin’ny fifaninana tahaka izao no tena ahitana ny karazany hafa mihitsy ary misy tena tsara » hoy i Solofo, mpampiady akoho.

Marihina moa fa ao amin’ny kianja mitafo Les amis-Gallo, fokontany Antaramanana no hanatanterahana ity adin’akoho ity, ary misokatra amin’ny sokajy rehetra moa izany.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire