Marolambo : Tonga any an-toerana ny « groupe électrogène » hametrahana herinaratra
Dépêche 29 novembre, 15h30, Niara-nisalahy tamin’ny mpiasan’ny Jirama ny mponina tao Marolambo amin’ny fampidirana ilay « groupe éléctrogène » ao an-toerana. Tonga tao an-teorana ity fitaovana hamerenana ny herinaratra ity taorian’ny fahamaizana nataon’ireo mponina sasany ihany. Tsy ho ela dia hiverina amin’ny laoniny ny famatsiana jiro any Marolambo aorian’ny fametrahana ity fitaovana ity. Mahatratra 78kW ny filàn’ny mponina any an-teorana ka mahatratra hatramin’ny 110kW anefa ity fitaovana ity. Noho izany, tokony tsy hahitana olana ny famatsiana jiro manomboka eto raha any Marolambo.
