Ankazobe : Tafapetraka ny Zone d’Emergence Piscicole
05 Jolay, 18h00 ZEP miisa folo no apetraka amina faritra 10 eto Madagasikara, izay hamokatra zana-trondro manodidina ny 134 tapitrisa sy trondro 28 000 taonina isan-taona. Nidina ifotony tany an-toerana ny minisitry ny Jono sy ny Toekarena manga, Mahatante Tsimanaoraty Paubert, nijery ny toerana rehetra mety amin’ny fanatodizana trondro sy fanatavezana ao amin’ ireo toerana ireo izay hamokatra zanatrondro 5 ka hatramin’ny 10 tapitrisa sy trondro vaventy manodidina ny 100 T isan-taona no hovokarina ao. Hita fa ny farihy ao amin’ny kaominina Fihaonana no mety kokoa noho ny fananany mari-pana mafana. Hiroso avy hatrany amin’ny fampahafantarana ny vahoaka ny minisitera, iarahana amin’ny olom-boafidy sy manampahefana rehetra any ifotony.
