Fitaterana an-dranomasina :
06 Aprily, 12h00. Tafapetraka ny CRTTM tao Toamasina Napetraka tamin’ny fomba ofisialy tao Toamasina omaly ny CRTTM na Comité Régional Tripartite du Travail Maritine. Rafitra napetraka hikarakarana sy hitantana ny fiainan’ireo tantsambo sy ny tontolon’ny asa an-dranomasina izy io. Ny talem-paritry ny APMF no filoha hitantana azy ao Toamasina mandritra ny 3 taona. Miisa 16 ireo mpikambana handrafitra izany ka avy amin’ny fanjakana ny valo, avy amin’ny vondron’ny mpampiasa ny efatra ary avy amin’ny sendikan’ny tantsambo ny efatra hafa.
