Dépêches

Anosy : Tsy azo anjonoana ny farihy

06 Aprily, 11h00. Notsiahivin’ny polisy monisipaly fa voarara tanteraka ny fanjonoana eny amin’ny farihin’Anosy ary azo saziana am-ponja ireo olona tratra manao izany. Mety hiteraka aretina ny fihinana ny trondro ao anatin’ny farihy noho halotoan’ny rano. Nanao antso avo ireo polisy monisipaly manoloana izany mba hampandre ny mpitandro filaminana avy hatrany raha mahita olona manarato sy manjono eny amin’io farihy io.

Laisser un commentaire