Dépêches

Filan-kevitry ny minisitra : Tsy hisy intsony ny « Test PCR » sy fihibohana ho an’izany tonga eny Ivato

31 Martsa, 13h00. « Test TDR » sisa no atao eny Ivato ho an’ireo vahiny sy Malagasy tonga eto Madagasikara raha ny tapaka nandritra ny filan-kevitry ny Ministra omaly. Ireo « négatif » dia tsy mihiboka 7 andro intsony ary afaka mody avy hatrany ary ireo « positif » kosa dia tsy maintsy mihiboka 7 andro. DRS Diana : Tontosa ny famindram-pahefana Tontonsa omaly 30 matrsa 2022 ny famindram-pitantanana teo amin’ny Talem-paritry ny fahasalamam-bahoakan’i DIANA teo aloha YASMINE Lethicia Lydia sy ny Talem-paritry ny fahasalamam-bahoaka DIANA vaovao VOLAZANDRY Priscylla. Nanome voninahitra izany ny Governoran’ ny Faritra DIANA sy ny Sekretera Jeneralin’ ny Prefektiora Antsiranana, DSSB avy amin’ny Ministeran’ ny fahasalamam-bahoaka.

Laisser un commentaire