Polisim-pirenena: Voasambotra ilay rangahy mpanaparitaka vaovao tsy marina ao amin’ny facebook
12 Janoary, 09h30. Voasambotra ilay ra ngahy nampiasa sarin’ny polisy milaza ho nanakana mpivarotra anana tsy ara-dalàna. Naparitany tao amin’ny tambajotran-tserasera facebook izany mba hanalana baraka ny Polisy. Manentana ny olona tsy hanaparitaka vaovao tsy marim-pototra ny avy ao amin’ny Polsim-pirenena.
